Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

3 of 665 cards

Clear filters
Ny Mpaminany (S.W.A) dia nandefa Azy tany Yemeni. Ka nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba zava-pisotro izay amboarin'ny Olona amin'io tanàna io Izy. Ka hoy izy (S.A.W) hoe : Inona ilay Izy ? Dia nambarany hoe : Al-bit'o sy Al-mizri. Nisy nanontany i Abo Bordah hoe : Inona ny Al-bit'o ? Dia nilaza Izy fa izany dia divay vita amin'ny tantely; ary Al-mizr dia divay vita amin'ny vary hordea (karazam-barim_bazaha). Dia nilaza Izy (ny Mpaminany S.W.A) hoe : Izay rehetra mahamamo dia Haramo avokoa. BOKHARI
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
"Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra."
Mari-pototra Notantarain'i Moslim, ary notaterin’i Al-Bokhari ny fehezanteny farany tamin'izany
Mpanome rano olona tao an-tranon’i Abo Talha aho, ary be dia be ny divain’izy ireo tamin’io andro io, ka naniraka olona hiantsoantso i Mpaminany (S.A.W) hoe : Tena marina fa efa voarara ny fisotroana toaka hoy izy : Dia niteny tamiko i Abo Talha manao hoe : Mivoaha ary ario izany ka nariako tokoa ireo toaka, ka niparitaka teny amin’ny araben’i Madina. Niteny ny olona sasany hoe : Nisy vahoaka novonoina raha mbola tao an-kibony izany, ka nampidinin'Allah ilay andininy masina hoe : {Tsy manan-tsiny amin’izay mino sy manao ny marina ny amin’izay nohaniny} [Al-Maidat: 93] ny andininy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim