Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

14 of 665 cards

Clear filters
“Hoy Allah : Manomeza, ry zanak’i Adama, dia hanome ho anao koa Aho”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy tompon’ny volamena na volafotsy izay tsy mahaloa izay tokony haloany, raha tsy amin’ny Andron’ny Fitsanganana amin’ny maty no hovelarana takela-afo ho azy, ary hafanaina ao amin’ny afobe izy, dia ho dorana miaraka amin' ny lanivoany sy ny handriny ary ny lamosiny, isaky ny mangatsiatsiaka, dia haverina aminy indray izany, amin’ny andro iray izay mitovy amin’ny dimy alina, mandra-pitsarany ny mpanompony, ka hahita ny làlany, na ho any amin’ny Paradisa na any amin’ny helo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
" Tsy misy fanomezana natao na navoaka amin'ny hafa ka lasa nampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny Mpanompo iray ny Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo Aminy, ary tsy misy Olona manetry tena eo anatrehan'i Tompo Allah afa-tsy hoe vonona hanandratra Azy avo i Tompo Allah ."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy Abo Zarr (RA) ihany koa hoe : Nisy andian'olona tamin'ireo mpanara-dian'ny Irak'I Allah (SAW) no niteny taminy nanao hoe : Ry Irak'I Allah! Lasan'ireo mpanan-karena daholo ny valisoa; satria manao Swalat tahaka anay manao Swalat izy ireo, ary mifehy ohatra anay mifehy, saingy mbola mamoaka Swadakah amin'ny ambin-karenany koa izy ireo. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah". Dia hoy izy ireo hoe : Raha manatanteraka ny filam-batany (miaraka amin'ny vadiny) ve ny anankiray aminay dia ahazoany valisoa izany? Dia hoy izy hoe : Hitanareo! Raha nataony amin'ny làlana fady izany, tsy mahazo fahotana ve izy? Toraka izany ihany koa, raha ataony amin'ny làlana mety, dia ahazoany valisoa".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Raha mbola niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izahay, tao amin'ny Mosque, dia nisy Lehilahy iray niditra nitaingina rameva ary nifatorany ilay rameva izay noentiny. Avy eo nanontany ireo Soahaba Izy ka nanao hoe : Iza Aminareo no Mohammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka manelanelan'ny vahoaka, dia Niteny Izahay hoe : io lehilahy fotsy mipetraka io, ka Niteny taminy ilay Lehilahy hoe : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib ! Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Maheno Anao Aho, Niteny ilay Lehilahy : hanontany Anao Aho ary ho entitra amin'ilay fanontaniako ka aza tezitra Amiko Ianao. Niteny Izy : Anontanio izay ilainao, Dia hoy Izy : Manontany Anao Aho amin'ny Tomponao sy Tompon'ny teo aloha, i Tompo Allah marina no naniraka Anao ho amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, Allah marine ve no naniraka Anao ny hivavahanay in-dimy isan'andro, Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Allah marina no naniraka anao hampifehy Anay iray volana mandritry ny taona ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ny hamoahanay amin'ny ampahan-karenay omena ny mahantra Aminay ? Namaly i Mpaminany (S.A.W) : Eny ! Tompo Allah tokoa. Hoy ilay Lehilahy : “ Mino ny zavatra nentinao Aho, ary iraka avy amin’ny vahoakako ao aorianako Aho, ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim