Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

2 of 665 cards

Clear filters
Isaky ny tonga mamangy ny marary i Mpaminany dia manao Doan ho azy manao hoe : “Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ​​ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Homeko an’ny lehilahy iray izay omen’Allah ny fandresena ity faneva ity rahampitso, izay tena mankatia an’Allah sy ny irany, ary tena tian’Allah sy ny irany”, hoy izy : ka natory ny rehetra ary manontany tena hoe iza no hahazo ny faneva, ka rehefa nifoha maraina ireo olona dia nakany amin'ilay Irak'Allah (S.A.W) ary ny rehetra dia samy naniry ny hotolorana ilay faneva. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Aiza i Ali bin Abi Toalib? Ka nisy nilaza hoe : Izy, dia manana olana amin'ny masony ry Irak'Allah, dia hoy izy : alefasonareo aty izy, ka noentina teo ary nirorany ny masony sy nivavaka ho azy ny Mpaminany (S.A.W) dia sitrana toy ny tsy narary izy, ka nomena azy ny faneva, dia hoy i Ali : Ry irak’Allah! Hiady amin’izy ireo aho mandra-pahatongan’izy ireo ho tahaka antsika? Dia hoy izy : “Tanteraho miadana izay nanirahana anao mandra-pidinanao any amin’ny toerana misy azy ireo, dia asao mba hanaraka ny finoana Islam izy ireo, ary lazao azy ireo ny zavatra takina amin'izy ireo momba ny fananany araka ny zon’Allah ao aminy, fa mianiana amin'Allah aho fa ny fitaritan'Allah ny olona iray noho ianao, dia tsara lavitra ho anao mihoatry ny rameva mena".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim