Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

10 of 665 cards

Clear filters
“Ny volamena ho solon’ny volamena, ny volafotsy ho an’ny volafotsy, ny varim_bazaha ho an’ny varim_bazaha, ny vary ho solon’ny vary, ny atrendry solon’ny atrendry, ny sira ho solon’ny sira, mitovy dia mitovy, raha samy hafa ireo karazany ireo, dia amidio arak'izay tianareo, raha mifanome tànana ianareo.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nitantara fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nandrara ny voady, ary nilaza manao hoe : "Tsy mitondra soa izany, tsy navoaka izany afa-tsy avy amin'ireo mahihitra".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay manaisotra ny zon’ny silamo amin’ny fianianana, dia efa nodidin’I Allah ho azy ny helo, ary norarany amin'ny Paradisa, dia hoy ny lehilahy iray taminy : Na dia zavatra kely aza izany ry irak’Allah? Hoy izy namaly : “Ary na dia ampahany kely aza.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy misy tompon’ny volamena na volafotsy izay tsy mahaloa izay tokony haloany, raha tsy amin’ny Andron’ny Fitsanganana amin’ny maty no hovelarana takela-afo ho azy, ary hafanaina ao amin’ny afobe izy, dia ho dorana miaraka amin' ny lanivoany sy ny handriny ary ny lamosiny, isaky ny mangatsiatsiaka, dia haverina aminy indray izany, amin’ny andro iray izay mitovy amin’ny dimy alina, mandra-pitsarany ny mpanompony, ka hahita ny làlany, na ho any amin’ny Paradisa na any amin’ny helo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny taratasy amin'ny volamena dia zanabola, afa-tsy ny ity sy ny ity, ary ny varim_bazaha dia zana-bola amin’ny varim_bazaha, afa-tsy ity sy ity, ary ny voamaina dia zana-bola ho voamaina, afa-tsy ity sy ity, ary ny daty dia zana-bola amin'ny daty , afa-tsy ity sy ity".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tonga aho niaraka tamin'ny fianakaviana Asha'ari tany amin'ny irak'Allah (S.A.W) nangataka rameva hotengenana, dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Mianiana amin'I Allah aho fa tsy hahavita hanome rameva hitaingenanareo". Nijanona elaela teo izahay dia nandefasany rameva telo, ka rehefa lasa izahay dia niteny ny iray taminay hoe : Tsy ho soavin'I Allah isika, satria tonga tamin'ny irak'Allah (S.A.W) nangataka rameva hotengenana nefa nianiana izy fa tsy hanome atsika nefa mbola nanome ihany. Dia hoy i Abo Mossa : Niverina izahay tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ary nolazainay taminy io resaka io, dia hoy izy : Tsy izaho no nanome anareo fa Allah no nandefa izany, tena miniana amin'I Allah aho - raha sitrany - mianiana amin'ny fianianako aho ka mahita tsara noho izany, afa-tsy tanterahiko ny onitran'ny fianianako, ary izay tsara kokoa"
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim