Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

3 of 665 cards

Clear filters
“Niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : Nozaraiko roa ny soalat eo Amiko sy ny Mpanompoko, ary azon’ny mpanompoko izay angatahiny, ka rehefa miteny ilay mpanompo hoe : {Alhamdo lillàhi Rabbil-A'lamìne}, dia hoy Allah : Nisaotra Ahy ny mpanompoko, ary raha miteny izy hoe : {Ar-Rahmànir - Rahìm}, dia hoy Allah : Nidera Ahy ny mpanompoko, ary rehefa miteny izy hoe : "Màlik Yawmiddìn", dia hoy Allah : “Nankalaza Ahy ny mpanompoko. Ary miteny koa izy hoe : “Efa natolony ho Ahy ny momba azy rehetra”, dia rehefa niteny izy hoe : “iyyàka na'bodo wa iyyàka nastaì'n” Dia hoy Allah : “Izany no manelanelana Ahy sy ny mpanompoko, ary mpanompoko dia hahazo izay angatahiny, ka raha milaza izy : {Ihdinas-swiràtal-mostaqìm, swiràtal-lazìna an'amta a'laihim, ghairil-maghdòbi a'laihim wala-dwàllìn", dia hoy Allah hoe : Izany dia ho an'ny mpanompoko, ary ho azon’ny mpanompoko izay angatahiny".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa mandositra ny trano namakiana ny Sorat Al-Baqarah i Satana.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra. Amin'ny fotoana izay : { Tsy hisy tombotsoa ny finoana Azy ho an'ny Olona izay tsy nino teo aloha, na izay tsy nahazo valisoa na kely aza tamin'ny finoany } [ Al-Ana'm 158]. Ary hitsangana ny Andro farany ka ny lehilahy roa namelatra ny lamban'izy roa eo anelanelany, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray avy nitery ronon-drameva ka tsy tafisotro izany ary hitsangana tokoa ny ora farany ary nanamboatra kamorondranony nefa tsy tafisotro akory, Ary ho avy ny fotoana farany izay hanandratan’ny anankiray Aminareo ny haniny ho eo am-bavany nefa tsy hihinan-kanina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim